<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>426</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Nanatona Anao,
 Mpanavotra ô !
 Ny olo-mahantra fahiny,
 Ny rofiny be, ny senton'ny fo
 Naneho fa soa no niriny.
 Tsy nety ho sasatra Hianao,
 Tsy nisy nolavina akory,
 Fa samy nandray ny
 indrafonao,
 Ka ravo ny olona ory.

[V2]
 Manatona Anao, ry be
 indrafo,
 Ny olo-mahantra anio,
 Fa be siasia, sy reraka am-po
 Ka raisonao ankehitrio !
 Ny maty omeonao aina
 vaovao,
 Ny sasatra ampiadano,
 Ny masonay jamba mba
 hazavao
 Ny rofin'ny fonay sitrano.

[V3]
 Ka rahatrizay hanatona Anao,
 Ny tsy ho farofy intsony,
 Fa hisy ny Alahady vaovao
 Ka sitrana tsara ny fony.
 Izay tany soa misy Anao
 No hisy ny olonao koa,
 Hahita ny voninahitrao ao,
 Ry Zoky malala Tsitoha.</lyrics>
<title>Nanatona Anao, Mpanavotra o! FFPM426</title>
<author>H. Buvarp</author>
</song>